Ampianaro hanjono ny olona, dia ho vokisanao mandritra ny androm-piainany izy… Koa maninona raha ampianarina ny fomba fanjonoana sahaza tsara ny mpanjono, mba hiroborobo amin’ny asany hatramin’ny taranaka fara mandimby ?

Io foto-kevitra io dia mampiseho tsara ny tena fototry ny fandaharana naharitra folo andro natao tany Maorisy ny 3 ka hatramin’ny 12 Oktobra 2022. Raha nanazava ny teknikan’ny jono manodidina ny fitaovana fanangonam-bokatra (FAD) ity fiofanana ity, dia nanampy ireo mpanjono avy any Kaomoro, Madagasikara ary Maorisy, hahita fahafahana isan-karazany momba ny zavatra azo atao mahakasika ny asa fanjonoana.

Fihondranana ho amin’ny zotra ahazoana fahalalana !

communautes-de-pecheursNy foibe fanofanana sy fanitarana ny jono (FiTEC), any Pointe aux Sables ao Maorisy, dia nandray mpanjono marobe avy amin’ny nosy telo mpifanolo-bodirindrina. Ity programa fanofanana ity – nokarakarain’ny tetikasa SWIOFISH2 niarahana tamin’ny minisiteran’ny toekarena manga (Ministère de l’Économie bleue), ny harena an-dranomasina, ny jono ary ny varotra an-dranomasina – dia mikendry ny hampianarana ireo mpanjono mpikambana ao amin’ny Federasionan’ny mpanjono asa tànan’ny ranomasimbe Indianina (FPAOI) ny teknika fanjonoana efa mandroso, nomanina manokana ho amin’ny fanjonoana manodidina ny fitaovana fanangonana trondro (FADs).

Teo ambany fitarihan’ireo manam-pahaizana efa za-draharaha, dia nanao diam-pahalalana nandritra ity fiofanana naharitra folo andro ity ireo mpandray anjara 15 avy any Kaomoro, Madagasikara ary Maorisy. Na dia samy hafa fiaviana aza ireo mpanjono ireo dia samy nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanofanana tamin’ny alalan’ny fitondrana ny traikefany sy ny fomba fanaony manokana momba ny jono.

Nandritra ny fotoam-pivoriana, ireo mpandray anjara dia nifankazatra amin’ireo zavatra tena ilaina amin’ny fiondranana an-dranomasina. Nianatra nampiasa GPS, kompà andriamby ary fitaovana fanjonoana izy ireo mba hanao fanazaran-tena manodidina ny FAD. Nanana fahafahana nanatrika kilasy fanazaran-tena tao amin’ny sambon’ny ministera, l’INVESTIGATOR, hanatsara ny fahaiza-mikarakara trondro sy ny fitetezam-paritry ny ranomasina izy ireo. Nody tamim-pahatokiana sy fahaiza-manao bebe kokoa ireo mpandray anjara, vonona hampihatra ny fahalalana vaovao eo amin’ny fiainana andavanandro sy eo anivon’ny fiaraha-monina mpanjono misy azy.

Tsara fitaovana sy ampy fahalalana

Noho io fandaharan’asa io dia manana ny fahalalana ilaina ireo mpanjono ireo ankehitriny, ary koa manana ny toe-tsaina ilaina amin’ny fitetezam-paritra ranomasina am-pilaminana sy mahomby manodidina ny FAD. Ny fanjonoana manodidina ireo endri-javatra ireo dia manome tombony maro, mitondra fahafahana tsara kokoa hanatsarana ny fidiram-bolany. Etsy andaniny, mitaky fahaiza-manao manokana izany noho ny fahasamihafan’ny teknikan’ny jono, any amin’ny farihy sy ‘ny morontsiraka.

Ankoatry ny fahaiza-manao azo ampiharina, io fandaharana io dia nanamafy ny firaisan-kina sy fifankahazoana teo amin’ireo mpanjono avy amin’ireo nosy samihafa ireo. Afaka nizara ny kolontsainy sy ny fomban-drazany izy ireo, ka nahatonga fifankahazoana  na eo aza ny sakana amin’ny fiteny. Hitan’izy ireo fa na dia samy hafa aza ny fiaviany, dia mitovy ny fitiavan’izy ireo fanjonoana sy ny faniriana iraisana dia ny fijinjana ny harena an-dranomasina.

Tamin’ny fiafaran’ny fiofanana, tao anatin’ny lanonana ara-pihetseham-po no nahazoan’ny mpanjono tsirairay ny « taratasy fanamarinana fandraisana anjara », maneho ny fahavononany amin’ny fanaratoana maharitra sy ny faniriany hanatsara ny fivelomany sy ny fiainan’ny mpiara-belona aminy.