IDalila Hall dia tera-tany avy any amin’ny tanàna amorontsirak’i Anse Raffin any Rodrigues, izy dia tena tia ranomasina hatramin’izay. Taorian’ny fianarana nataony, dia nanapa-kevitra ny hanaraka ny faniriany izy ka nisafidy ny hirotsaka anatin’ny sehatry ny jono… Renim-pianakaviana manan-janaka efatra izy ; mirehareha amin’ity asa ity izay nahatonga azy ho amin’ny toerany amin’izao fotoana izao.

Asa sarotra kanefa mahafa-po

Tsy mora ny hoe mpanjono, ary fantatr’i Dalila tsara izany. Tsy maintsy mifoha maraina ianao, mila manana fitaovana mifandraika amin’izany, mitafy ny akanjo fitondra manjono ary miatrika ny onja. Fa ho an’i Dalila dia asa mahafa-po izany. Ny fanjonoana polpa – antsoina hoe “horita” eo an-toerana – dia ahafahany mamelona ny fianakaviany sy mandray anjara amin’ny toekaren’ny nosy izay misy azy.

Na dia noheverina ho asan-dehilahy nandritra ny fotoana ela aza ny fanjonoana, dia maneho ny fankasitrahany ny mpiara-miasa aminy i Dalila :

« Amin’izao fotoana izao, mahatsapa ho mitovy amin’ny lehilahy mpanjono aho, na koa amin’ireo vehivavy mpiasa any anaty birao. Amiko dia tsy manavaka ny lahy sy ny vavy ny asa. Amin’ny maha mpanjono ahy dia tsapako fa andry iankinan’ny fiaraha-monina io asa io. »

Rehefa miditra an-tsehatra ny loton’ny tontolo iainana

I Dalila sy ny mpiara-miasa aminy dia mahatsapa fa loza ho an’ny tontolo iainana an-dranomasina ny fandotoana. Samy mahafantatra ny maha zava-dehibe ny fitandroana ny tontolo iainana izy ireo mba hisian’ny faharetan’ny asa ataony. Resy lahatra amin’izany ny mpanjono Rodriguais : tsy maintsy atao amin’ny fanajana ny tontolo iainana ny jono mba hahazoana vokatra maharitra sy manara-penitra.

Dalila, toy ny ankamaroan’ny mpanjono Rodriguais, dia tsy mampiasa akora simika ary mampihatra fomba ara-pahasalamana, manaja ny natiora.

Ohatra iray ho an’ireo vehivavy !

Na dia eo aza ny sakana mety hatrehiny, dia tsy mety kivy ity mpanjono “horita” ary manohy miasa amim-pientanentanana sy amim-pireharehana. Manentana ny vehivavy rehetra aty amin’ny ranomasimbe Indianina, na Malagasy, na Rodriguaise, na Maorisianina, na avy ao La Réunion, na Seychelles na Kaomorianina, izy, mba hirotsaka amin’ny tontolon’ny jono sy hanaraka ity fitiavany manokana ity.

Ny jono rahateo dia asa azon’ny rehetra atao, tsy manavaka na lahy na vavy !