Ny fo any amin’ny rano, fa ny tongotra kosa ety an-tany … Toy izany no hamehezana ny mombamomba an’andriamatoa Randriatahina Edmond. Feno fahatokisan-tena sy fijery miabo, anatin’ilay lobaka tsotra misy sarin-trondro ; ity mpanjono mavitrika Malagasy ity. izy dia mahafantatra tsara ny fomba fanao tsy manara-penitra mahakasika ny jono. Tokana ny faniriany : Hahita vahaolana tsaratsara kokoa ireo mpanjono.

Tsy toy ny teo aloha intsony !

edmond fishermen FPAOITamin’ny taona 1990, farak’izay liana tamin’ny ranomasina i Edmond, ary efa nanana ny diplaoma « licence en sciences naturelles » tamin’izany, ka nanapa-kevitra fa ho ataony asa fivelomany ny jono. Niroborobo sy nampidi-bola betsaka ny sehatry ny jono tamin’izany fotoana izany. Mora tokoa ny nahajono trondro hatramin’ny 800 kilao isan’andro.

Indrisy anefa fa efa niova izany. Ankehitriny eo ho eo amin’ny 40 kilao eo sisa ny trondro mety ho azo amin’ny andro azo lazaina hoe nahomby. Ny andro hafa indraindray dia tsy mahazo mihitsy ! Ny antony mahatonga izany dia ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fanjonoana mihoapampana, ary indrindra indrindra ny jono tsy ara-dalàna.

« Betsaka loatra ny mpanjono mampiasa fomba fanjonoana mamotika ny trondro, toy ny fampiasàna harato. Ao koa ireo mpanjono an-dranomasina manaraka ny morontsiraka, izay miteraka ny fanjonoana mihoapampana. » Hoy i Edmond.

Nahazo fahalalàna maro momba ny teknika fanjonoana Randriantahina Edmond. Noho ny fitiavany hizara ny fahaizany amin’ireo namany ; niova ho mpampihofana izy, mba hahafahany manantena ho avy tsaratsara kokoa ho an’ny jono.

TOSIKA AVY AMIN’NY FPAOI

Mba hanamafisana orina sy hanapariahana ny fomba fanao manara-penitra momba ny jono ; ny FPAOI (Fédération des Pêcheurs Artisans de l'océan Indien) dia nanolo-tena hanampy ny mpanjono ety amin’ny faritra ranomasimbe indiana. Tontosa io fanampiana io noho ny fiaraha-miasa amin’ny COI (Commission de l’Océan Indien) sy ny banky iraisam-pirenena ; amin’ny alalàn’ny tetikasa SWIOFISH2.

Ho fanampin’ny famporisihana amin’ny jono an-dranomasina, izay ahitana ny trondro lehibe indrindra, ity tetikasa ity dia ahitana fampihofanana momba ny fitantanana amin’ny fomba maharitra ny vokatra an-dranomasina, na koa ny fitantanana tsaratsara kokoa ireo fakon’ny mpanjono ho fanampiana mba ahazoana trondro misimisy kokoa.

Mahomby ilay tetika ! … manazava i Edmond :

« Mahatsikaritra tokoa isika fa taorian’ireny fampihofanana ireny, dia nanomboka nihabetsaka ny trondro voajono. Ny fanentanana momba ny fiarovana narahina fanazaran-tena, ny fambolena sy ny famerenana amin’ny laoniny ireo honko, dia manomboka ahitana vokatra ihany koa ! Efa manaiky ny tena maha-zava-dehibe ny honko ihany ireo mpanjono. Ao koa, dia ahitana ireo drakaka, ny makamba ary ny trondro ! »

ARY NY TOHINY ?

Amin’ny fijery feno fanantenana no iherevaran’i Edmond ny ho avin’ny sehatry ny jono eto Madagasikara. Tsy mahita afa-tsy tombontsoa izy ny amin’ny hanohizana ireo fampihofanana sy ny hetsika fanentanana. Ny atrik’asa maro tontosain’ny FPAOI dia hanamafy ny fahalalàna sy ny fahaiza- manao voaray.

« Rehefa manjono amin’iny faritra avaratra andrefan’i Mahajanga iny aho, dia matetika mifanena amin’ny mpanjono hafa. Mbola betsaka izy ireo no manjono tahaka ny fomba fanjonoan’ny rainibeny taloha, amin’ny alalan’ny fomba tsy manara-penitra. Mbola misy asa fanentanana goavana tokony hotohizana handresena lahatra azy ireo hampiasa ny fomba fanjonoana vaovao. » hoy i Edmond manolo-tsaina. »

Io fomba fijery io dia itovian’ito mpanjono ito amin’ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny tetik’asa FPAOI. Voafaritra ny làlana !