Nandritra ny fivoriana faha-27 an’ny Vaomieran’ny Lamatra Ranomasimbe Indianina, izay natao tany Maorisy ny 8 ka hatramin’ny 12 mey 2023, dia nanolotra antsipirian’ny politika ny FPAOI sy ny Southern Tuna Forum Western Indian Ocean (SWIOTUNA) ; toerana sy tolo-kevitra momba ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny jono ao amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (IOTC). Andao hojerena akaiky ny momba izany…

Tsy fahampian’ny fampahalalana

Quand la transparence renforce les communautésTonga eo amin’ny sampanan-dàlana ny mpanjono mpanao asa tànana any amin’ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka. Miankina betsaka amin’ny harena an-dranomasina hita eo akaikin’ny vohitra misy azy ireo ny fiveloman’izy ireo, satria manampy amin’ny toekarena, ny fanjarian-tsakafo ary ny sakafo ilain’ny tsirairay. Na izany aza, mihena hatrany ny tahirin’ny lamatra.

Antony maro no mahatonga izany fihenana izany, ao anatin’izany ny tsy fitoviana amin’ny fahazoana loharanon-karena; fanaratoana tafahoatra ; fahasimban’ny tontolo iainana; ary koa ny fiovan’ny toetr’andro. Mampalahelo fa zara raha afaka mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra mikasika ireo harena sarobidy ireo ny mpanjono noho ny tsy fisian’ny mangarahara. Amin’ny toe-javatra maro, ny governemanta dia tsy manome angon-drakitra ilaina mifandraika amin’ny sehatry ny jono, toy ny lalàna, fahazoan-dàlana, fanombanana ny tahiry, angona momba ny trondro ary ny fanampiana.

Ny angon-drakitra tsy feno na tsy afaka vakiana dia manakana ny fahombiazana maharitra eo amin’ny fitantanana ny jono, ny fanaraha-maso, ny fandraisana andraikitra ary ny fifanakalozan-kevitra ho an’ny daholobe. Ny fanilikilihana sy ny fanambanimbaniana ny vondrona sasany, toy ny mpanjono mpanao asa tanana sy ny vehivavy amin’ny famatsiana jono, dia mametra ny fahitana amin’ny adihevitra nasionaly.

Ny mangarahara, laharam-pahamehana 

Manoloana ny filàna maika amin’nyny jono maharitra, ny FPAOI sy ny SWIOTUNA dia resy lahatra tanteraka fa ny mangarahara no fanalahidin’ny fitantanana mahomby sy ny fizarana tombontsoa ara-drariny.

Miantso ny mpikambana rehetra ao amin’ny IOTC ny FPAOI sy ny SWIOTUNA hiatrika ny fahataperan’ny tahirin’ny lamatra any amin’ny ranomasimbe Indianina. Koa satria miha-mitombo hatrany ny antso ho amin’ny mangarahara, dia nampahatsiahivin’ireo fikambanana roa ireo ny mpikambana sy mpanara-maso ny IOTC ny tena tanjon’izy ireo : ny hiantohana ny fampiasana tsara ny tahirin’ny lamatra amin’ny alalan’ny fitantanana sy fitehirizana ara-dalàna. Nanentana ireo fanjakana amoron-tsiraka sy ireo vondrom-piarahamonina siantifika izy ireo mba handinika ny fahavitsian’ny tahirin-damatra vokatry ny fanjonoana tafahoatra sy ny teknika mandringana. Mba hamahana ireo olana ireo sy hanehoana ny mety ho vina ara-tsosialy sy ara-toekarena amin’ny jono, ireto avy ny  soso-kevitr’izy ireo :

  • Fampisehoana ny fitantanana ny jono maharitra : manome alalana ny firenena mpanjono mba mampiseho ny fahaizany amin’ny fitantanana maharitra ka hampiorina ny fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-barotra, mpampiasa vola, mpanohana ary mpamatsy vola iraisam-pirenena momba ny fanapaha-kevitra mahakasika ny vokatra an-dranomasina, ny varotra ary ny jono.
  • Ady amin’ny ny tsaho sy ny tsy fahatokisana : Manampy amin’ny ady amin’ny tsaho, ny vaovao diso ary ny tsy fahatokisana, ny fahazoana vaovao azo inoana sy azo antoka. Manoloana ny fanamby toy ny fahavitsian’ny tahirin-trondro dia tena ilaina ny mangarahara mba hanalana ny tahotry ny mpanjono momba ny fivelomany sy ny ho aviny.
  • Fiaraha-miasa isam-paritra sy iraisam-pirenena: Zava-dehibe ny fitazonana ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpiara-miombon’antoka mba hanentanana ny fiaraha-miasa isam-paritra sy iraisam-pirenena. Mampiroborobo ny fitantanana tsara sy ny fitantanana maharitra ny tahirin-trondro mpifindra monina ny fifampizarana vaovao sy kalitao eo amin’ny Fanjakana.

Adidy araky ny lalàna

Tsy tokony ho safidy fotsiny ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny jono, fa adidy ara-dalàna sy zo fototra, indrindra ho an’ireo miankin-doha amin’ny jono. Fenitra iraisam-pirenena, anisan’izany ny toromarika an-tsitrapo ho an’ny jono madinidinika maharitra; ny rafitra ara-politika; ny paikadin’ny fanavaozana ho an’ny jono sy ny fiompiana trondro any Afrika, dia manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny mangarahara.

Rehefa mameno ny hantsana ateraky ny tsy fahampian’ny fampahalalam-baovao ny mangarahara, dia mampatanjaka ny vondrom-piarahamonina izany ary mahatonga ny fisian’ny jono haharitra ho zava-misy.