Ny jono … Asa iray izay efa tafalatsaka tsara ao anatin’ny andavanandron’ny fiainan’ny mponin’i Saint Augustin, faritanin’i Toliara, Madagasikara. Ny antony ? Raha ny vokatra avy amin’ny jono no ampahany betsaka indrindra ataon’ny fianakaviana izay monina ao sakafo, dia io ihany koa no anisan’ireo fomba vitsy ahafahana mahazo vola.

Razafimandimby CharlesAnisan’ireo Andriamatoa Razafimandimby Charles : ho azy, toy ireo mpiara-monina aminy hafa, ny jono dia asam-pianakaviana.

« Any amin’ny tanàna niaviako, ny lehilahy manjono an-dranomasina, ny vehivavy sy ny ankizy kosa dia mivarotra ambongadiny ny vokatray any an-tanàn-dehibe. » hoy ity mpanjono Malagasy.

Tsy vita mora

Na dia miasa mafy aza ireo fianakaviana ao Saint Augustin mba hiatrehana ny fandaniana ao an-tokantrano, dia tsy mahazo tombony foana izy ireo.

Izany no iainan’ny mpivarotra ambongadiny. Mitaky fitaovana manara-penitra mantsy io asa io, ka sahirana ny mpiray tanàna amin’ny fikarakarana manara-penitra. Ho an’i Charles sy ny fianakaviany, ohatra, rehefa avy niandry maharitra ambany tara-masoandro, sy fandehanana fiara fitateram-bahoaka mandritra ny iray andro sy tapany ; nefa tsy mampiasa vata mitahiry hatsiaka hitondràna ny vokatry ny jono, dia manano-sarotra ny fivarotana ny vokatra mbola vaovao. Mihasimba vetivety izy ireo, ka lasa sarotra amidy.

Momba ireo mpanjono amin’ny faritra kosa, noho ny tsy fisian’ny lakana misy motera, dia lakana misy lay sy fivoy no ampisainy. Indrisy anefa fa tsy ahafahan’izy ireo manjono an-dranomasina lavitra io karazana lakana io. Noho izany dia voafetra tokoa ry zareo amin’ny halehiben’ny fari-dranomasina afaka hanjonoana.

« Tena olana tokoa izao tranga izao : fantatray fa kely tokoa ny vokatra ; nefa manjono amin’ny faritra be mpanjono loatra izahay. Tsy mahavita mamoky sy mamelona, mamaly ny filàn’ny ny ankohonanay ara-tsosialy sy ara-pahasalamana ny zanakay intsony izahay. » hoy i Charles, kivy.

Fihofanana sy vahaolana

Fanta-daza noho ny hetsika efa vitany nandritra ny taona maro  ny « Fédération des Pêcheurs Artisans de l’Océan Indien » FPAOI izay mandranitra ny fahaizana sy ny fahalalan’ny tsirairay mba hanatsarana ny andavanandrony. Efa tamin’ny taona 2015 ny fikambanana misy an’i Charles no mpikambana tao anatin’ny FPAOI, ary manantena hatrany izy fa mbola hihatsara ny toe-draharaha indray andro any.

Izany indrindra no nankanesany fanindroany tany amin’ny nosy Maorisy, hanaraka ny iray amin’ireny fampihofanana ireny. Ianarany ao ny fanovàna endrika, ny fomba fanjonoana manara-penitra, ny jono eo amin’ny fitaovana ahitana fitobiana trondro betsaka sy ny fanangànana io fitaovana fanangonana trondro betsaka io.

« Raha toa ka mampiasa teknika vaovao manaraka ny toetr’andro isika ; ka miala amin’ny fomba fanao tany aloha ; na koa mamaritra mazava ny faritra anjonoana amin’ny fitaovana fanangonana trondro betsaka ; ka hitantana mahomby kokoa ny fanjonoana mihoampapana loatra ; dia hahita andro mamiratra tokoa isika. » hoy izy taminay, feno fanantenana.

Satria nampitombo fahalalana noho ny fampihofanana voarainy, manana iraka i Charles mba hampita ny fahaizana azony amin’ny hafa. Voaantso ho lasa mpampihofana izy mba ahafahany mampianatra ireo mpanjono ao an-tanànany hahay hanjono kokoa sy hahafantatra ny toerana hanjonoana. Hetsika tsara daholo izany, hiandrandrana ho avy mamirapiratra ho an-ireo mponin’i Saint Augustin !